Solika: Teren'ny mpampongady solika ampakarina 5 000 ariary ny vidin-dasantsy

  • mardi, 12 mars 2019 06:58
  • Tigre
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Re izao fa manenjana ny mpitondra ireo mpaninjara solika ampakatra ny vidin-dasantsy hatrany amin'ny 5 000 ariary.

Izy ireo anefa dia tsy mbola nandoa ny volam-panjakana tokony hiditra amin'ny kitapom-bolan'ny fanamboaran-dalana, izay hetra alainy isaky ny misy mividy solika ao aminy hatramin'ny taona 2015, izay efa amina miliara maro, satria araky ny filazan'izy ireo dia ny fanjakana no ananany trosa be lavitra noho ny fatiantoka eo amin'izy ireo, satria terena hivarotra ambanin'ny vidin'ny tena marina (vérité de prix).

Manambana ny tsy hamatsy solika ny Jirama intsony arak'izany ireto mpamatsy solika ireto, satria ananan'izy ireo trosa misavovona ihany koa ny Jirama.

Etsy ankilany anefa ireo mpamatsy vola avy any ivelany, tsy manaiky ny fanjakana haka vola amin'ny teti-bolam-panjakana intsony anonerana izany trosa eo anivon'ny jirama sy ireto mpambongady solika ireto.

Tratran'ny kenda roroka eo izany ny mpitondra ankehitriny, ary ny Malagasy mpanjifa no mizaka ny mafy, sy ny mety ho fidangan'ny vidim-piainana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.