Fifidianana: 11 amin'ireo kandida 36 no nanatitra ny tatitra ara-bola

  • mardi, 05 mars 2019 15:03
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Ny lalam-pifidianana 2018-008, ao amin'ny andininy faha 83, dia manery ireo kandida ho filoham-pirenena ny ametrahan'ny mpitam-bola ny tatitra ara-bola eo anivon'ny vaomiera fanarahamaso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika, telo volana raha ela indrindra aorian'ny famoahana ny vokatra ofisialy.

Ny 28 novambra 2018 no nivoaka ny vokam-pifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana voalohany, dia ny 28 febroary 2019 izany no fetr'andro farany ametrahana izany tatitra ara-bolan'ny kandida izany, ho an'ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Hatreto, raha ny loharanom-baovao azo, dia 11 amin'ireo kandida 36 ihany no nametraka izany tatitra ara-bola izany.
Aorian'izay moa dia tokony hilaza am-pahibemaso ny tatitra ireo mpikambana ao anatin'ity vaomiera ity.

Misy mpitsara 3 sy expert comptable 2 moa no ao anatin'ity vaomiera ity, izay maharitra 5 taona ny fotoam-piasany.

Ny lalàna moa tsy dia mazava loatra, na ho angady tsy mahatapa-kahitra izy ireo na tsia, atao ahoana ireo tsy nanao tatitra sy mangaraharaha ny vola nampiasainy tamin'ny fampielezan-kevitra, raha nisy tsy mazava ihany koa dia iza no hitsara ny raharaha, na mety nisy famotsiam-bola, na nisy ny tambiny amin'ny harem-pirenena, satria dia voararan'ny lalàna ny fampiasam-bolan'ireo firenena vahiny hamatsiana ny kandida iray.
Aiza no mety hifandraisan'ity vaomiera ity sy ny Bianco ary ny Samifin, sy ny fitsarana.

Andrasana izany ny tatitra ataon'ity vaomiera fanarahamaso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.