Venezuela: Nisafidy hanohana an'i Juan Guaido ny Filoha Rajoelina

  • dimanche, 03 mars 2019 18:13
  • Britto

Manoloana ny krizy politika any Venezuela eo amin'ny filoha voafidy Maduro, nefa tsy eken'i Amerikanina sy ireo firenena 30 tandrefana, dia nisafidy hanohana an'i Juan Guaido, nanandran-tena ho filoha vonjy maikan'i Venezuela ny Filoha malagasy, Andry Nirina Rajoelina.

Ny Rosianina, ny Sinoa, ny Iranianina moa dia manohana ny tsy hitsabahan'ny firenena vahiny amin'ny raharahan'i Venezuela, izay anisany manana tahirin-tsolika maro indrindra manerantany.

Amin'izao moa ny Amerikanina dia mikasa ny hidaroka ara-tafika an'i Venezuela, ny Rosianina etsy andaniny efa nandefa fitaovam-piadiana nokleary any an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.