Sarobaratra - Ambohidratrimo: Nidiran’ny Sinoa, mitriatra ny fasana, potika ny tontolo iainana

  • vendredi, 01 mars 2019 18:02
  • Zakaria
  • Sary nomena

Velon-taraina ary maneho ny tsy fahafaliany ny mponina ao Sarobaratra, Fokontany Marianona, Kaominina Mahereza, Distrikan'Ambohidratrimo, manoloana ny fahatongavan’ny Sinoa hitrandraka aty amin’izy ireo.

Vao manomboka ny asa dia efa potika ny lalana, feno atsanga sy ranontany ny tanimbary, potika ny tontolo iainana. Iza no mba hiaro anay, amin’ny taninay ?, hoy ny menomenon’ny mponina, nilanja sorabaventy tamin’ity androany ity.

Tsy teto an-toerana ireo Sinoa tamin’ny fotoana nanaovan’ny mponina hetsi-panoherana fa mpiasa malagasy no hany teo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.