Fianarantsoa: Nankalaza ny faha-21 taonany ny FITEFA

  • jeudi, 28 février 2019 15:20
  • Zakaria
  • Sary nomena

Tonga nanotrona ny mpikambana taty an-toerana, izay misy mpikambana 600 eo, ny birao nasionalin’ny FITEFA (Fikambanan'ny Teraky ny Faritany Antsiranana) notarihin’ny filohany Bekasy Johnfrince. Nisy ny nofonkena mitam-pihavana namonoana omby roa. Sambasamba rahateo no notronin’ny mpikambana avy amin’ny birao nasionaly ny lanonam-pifalian’ny FITEFA Fianarantsoa.

Fety sady fandraisana mpianatra vaovao no natao, koa nirary soa ny mpianatra zanaky ny faritany Antsiranana mba hahavita fianarana ao anatin’ny fahendrena mba ho reharehan’i Madagasikara i Bekasy Johnfrince. Sady nitondra teny fananarana ihany koa ny tenany, no manentana firaisankina araka ny filamatry ny fikambanana hoe : « Antsiranana tsy aroe » ary nanome fanohanana ara-bola ny fikambanana.

Nivoitra nandritra ny fety fa hisy fivoriamben’ny zanaky ny faritany Antsiranana tsy ankanavaka hatao ao Antananarivo amin’ny 1 mey 2019 ho avy izao.

Taorian’izay dia nisy ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny FITEFA tamin’ny filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa nilazany ny fahavononan’ny fikambanana amin’ny fiaraha-miasa sy fifanampiana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.