Mpandraharaha bois de rose: Voasambotra i Jean Eddy Maminirina

  • mardi, 12 février 2019 17:49
  • Tigre
  • Tahirin-tsary

Voasambotra androany teto Antananarivo ilay mpandraharaha, efa nisy didy fampisamborana.

Raha tsiahivina dia nisy ny fitsenana makotroka azy tao Ambalamanasy ny alakamisy 29 novambra 2018 tao anatin'ireny fotoanan'ny fifidianana ireny, taorian'izay nisy ny fihaonany tamin'ireo mpikamban'ny MAMI na Malagasy Mifankatia efa najorony teo aloha ihany.

Nisy ny fihaonam-be nataon'izy ireo teny amoron-dranomasina ny sabotsin'iny, izay nandraisan'anjaran'ireo mpikambana avy ao Menabe sy Alaotra-Mangoro ary Atsinanana.

"Tonga an-tanindrazana aho fa hanompana ny fiainako amin'ny asa sosialy sy ny asam-pikambanana MAMI", hoy i Jean Eddy Maminirina tao amin'ny La Famillle Salazamay tamin'io fihaonana tamin'ny mpikambana ny MAMI io.

Nitsabo tena tany ivelany noho ny aretina nahazo azy araka ny nambarany no nialany teto Madagasikara an-taonany vitsy izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.