Farafangana: May ny Quartier Morafeno antsimo

  • lundi, 11 février 2019 16:31
  • Tigre
  • Sary nomena

Ny alahady hifoha ny alatsinainy 11 febroary, tokony tamin'ny misasakalina, dia nisy trano niaingan'ny afo tao amin'ny Quartier Morafeno atsimo, eto Farafangana. Nalaky niitatra tamin'ireo trano manodidina ny afo.

Raha ny fantatra dia labozia teo ambony latabatra no nitarika ny fahamaizana.

Nalaky tonga ihany ny mpamono afo mpamonjy voina, fa efa nidedaka ny afo, ary nanahirana ny famonoana ny afo satria tsy misy lalana hidiran'ny fiaran'ny mpamonjy voina.

34 ny trano may io maraina io, efa voafehy ny afo, ary dia tsy nisy noraisina na ny entana, na ireo fananana rehetra tao. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy, fa dia fianakaviana maro no traboina tsy misy trano.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.