Ambatoboeny: Tratran'ny Zandary ny dahalo 5 anisan'ny naka an-keriny an'i Housna Ramjanaly

  • lundi, 04 février 2019 18:30
  • Tigre
  • Sary nomena

Nivoaka avy any anaty ala ireo Zandary nanenjika ireo dahalo naka an-keriny an'i Housna, ka nitondra dahalo 5 tratra babo tamin'ireo 40 lahy nanafika tokatranon'ny mpandraharaha tao Ankijabe, Distrika Ambatoboeny ny alin'ny alakamisy 31 janoary teo.

Omaly alahady 03 febroary, rehefa nametraka vela-pandrika ny Zandary, fa hanatitra ilay vola 400 tapitrisa ariary notakian'ireto dahalo ireto rehefa avy notafihandreo, ka nokapainy famaky ilay raimpianakaviana, ary nentiny natao takalon'aina i Housna, dia tonga tokoa tamin'ny toerana nifanomezana ireto dahalo, fa nahatazana Zandary nisitrika izy ireo ka vaky lefa niaraka tamin'i Housna, nefa ity farany efa reraka tokoa, dia navelandreo teo, fa ireto dahalo kosa nilefa any anaty alan'ny Ankarafantsika.

Raikitra ny fifampitifirana, narahan'ireto Zandary tany anaty ala ireto dahalo, naharitra nandritra ny alina ny fifandonana.
Tratra babo tamin'izany ny dimy lahy, ka ny alina iny ihany dia nentina tany amin'ny Toby Zandarimaria Marovoay, izay akaiky teo.

Amin'izao takarivan'ny alatsinainy izao kosa dia nentina aty Ambatoboeny ireo dahalo ireo atao famotorana, satria ny Brigadin'ny Zandary aty no miandraikitra ny raharaha.

Narahina vahoaka maro ny fiaran'ny Zandary nitondra ireto tratra babo, sady nisaotra ireto Zandary mahery fo nanao ny ainy tsy ho zavatra nifandona tamin'ireto dahalo ireto tao anaty ala, andro alina, izay toerana fieren'ny dahalo sy fanafenanana omby halatra.

I Housna kosa dia manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly izao, satria reraka tanteraka izy, rahateo izy nalain'ny dahalo mbola avy nanao sérum telo andro fa voan'ny kitrotro.
Ny vadiny izay voakapa tamin'ny famaky teo amin'ny lohany kosa dia efa mihatsara tsy atahorana ny fahasalamany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.