Iavoloha: Tsy nomen'ny Mapar hasiny ny fanasan'i Rivo Rakotovao

  • lundi, 07 janvier 2019 15:53
  • Njaka
  • Sary Gasypatriote

Niharihary teny Iavoloha ny tsy fanomezan'ny Mapar hasiny ny fanasana asaramanitra nataon'i Filoham-pirenena, mpisolotena vonjimaika, Rivo Rakotovao. Tsy nisy tonga teny ny minisitra maro an'isa natolotry ny Mapar tao amin'ny governemanta. Ny Praiminisitra, izay natolotry ny Mapar, Ntsay Christian, aza dia minitra vitsy alohan'ny anombohan'ny fotoana vao nilaza fa tsy afaka noho ny tsy fahasalamana tampoka, ka dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, no voatery namaky ny kabary izay efa nomaniny.

Nahazo baiko mitovy izy ireo, raha ny fahitana ny zava-misy, satria ny lehiben'ny Mapar, Andry Rajoelina, izay kandida ho filoham-pirenena ihany koa dia tsy tonga teny, raha toa kosa nanotrona teny i Marc Ravalomanana mivady.

Voatery nobataina nesorin'ireo mpikarakara mihitsy aza moa ny seza natokana ho an'ireto nasaina nefa tsy tonga ireto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.