Kianja 13 mey: Niverina nibahana sy nandrara ny fidirana ny Emmo

  • vendredi, 04 janvier 2019 23:49
  • Britto
  • Sary nindramina

Omaly alakamisy, taorian'ny baiko nomen'ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia nisokatra ho an'ireo mpitaky ny fahamarinan'ny fifidianana ny kianja 13 mey.

Anio zoma, 04 janoary 2019, anefa dia niverina indray izay fandrarana izay, raha ny baiko azo avy eny Mahazoarivo.
Nilaza moa ireto mpitandro ny filaminana ireto fa baiko ny azy ireo fa tokony hisy alalana na baiko avy any ambony vao miala ry zareo.
Tsy mety hitan'ireto mpanao fihetsiketsehana ireto mihitsy moa ny Préfet de police, na dia nandehanandreo tany Tsimbazaza, misy ny biraony aza.

Manomboka miakatra ny feon'ireto mpitaky ny marina ny amin'ny hoe, inona no tsy hametrahan'ireo minisitra mpikambana ao amin'ny antoko tsy miaraka amin'ireo mpanao hery famoretana izao, fa nahoana no manaiky miaraka amin'ireo hatrany, nefa dia grenady sy setroka mandatsa-dranomaso no amahanana ireo mpitaky ny marina?

Rahampitso sabotsy moa dia mbola mifamotoana eny an-kianja indray ireto mpanao fihetsiketsehana ireto, na dia misy aza ny fampitahorana fisamborana ireo mpitarika.

(Sary nindramina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.