Fifidianana: Fitoriana mihoatra ny 1500 no hapetraky ny K25

  • samedi, 29 décembre 2018 14:29
  • Tigre
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Raha niomana ny hametraka izany fitoriana teny anivon'ny HCC androany ny K25, araka ny fetr'andro napetraky ny HCC, dia nisy fanemorana indray izany fetr'andro izany araky ny fanambaran'ny HCC androany, ka tsy hifarana izany fandraisana fitoriana izany raha tsy ny alatsinainy 31 desambra 2018 amin'ny 4 ora tolakandro.

Mahatratra 1500 ireo fitoriana efa eo ampelatan'ireo komity mpahay lalàna eo anivon'ny K25.

Anisan'ny nampiavaka ny resaka fitoriana raharaham-pifidianana tamin'ity, dia maro ihany koa ireo fitoriana izay apetraka mahakasika ireo tompon'andraikitra rehetra nitsikombakomba tamin'izao halabato goavana nisy tamin'izao fifidianana izao, ka fitoriana ady heloka na plainte pénale eo anivon'ny fitsarana mihitsy no hatao, mba tsy ho hisy ny tsy maty manota amin'izao halabatom-pifidianana izay mangalatra sy manary ny Zon'ny hafa izao.

Voakasik'izany ireo mpikambana ao amin'ny biraom-pifidianana nanao hosoka, ireo sefo fokontany na Ben'ny Tanàna nanao hosoka, ireo ananana porofo rehetra nanodikodina safidy, ireo nanao kara-pifidianana hosoka, CIN hosoka, bileta hosoka, ireo nanao hosoka lisim-pifidianana, ireo nividy olona sy ireo mpamatsy vola azy ireo rehetra, ka nahatonga ny hosoka sy hala-bato, ireo tompon'andraikitra ambony niray petsapetsa sy nanome baiko hanaovana halatra sy hosoka, iray ninia tsy nanao ny andraikiny ka nanamora ny hosoka sy ny hala-bato.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.