Tanin'i SORIFEMA Vohidiala: Mitondra fanazavana ny Tale Jeneraly teo aloha RAVELOMANANTSOA Jean de Dieu

  • mardi, 18 décembre 2018 16:49
  • Tigre
  • Sary nomena

Ny orinasa (SOCIETE RIZICOLE et FECULIERE MALAGASY) afohezina hoe SORIFEMA dia orinasam­-panjakana (Société d’Etat) madiodio notatanako nandritra ny vanim­potoana1981­-1988, ary izaho RAVELOMANANTSOA Jean de Dieu, ­Ingénieur Agronome no Tale Jeneraly (napetraka tamin’ny alalan’ny Décret).

Ny niandohan’ny SORIFEMA: Tany manana titre
­talohan’ny 1972, orinasan’ny voanjo : compagnie générale de Madagascar

­1972: Noraisin’ny fanjakana malagasy (nationalisation)

Statut: Société d’Etat SORIFEMA

Ny asa nataony:

Fambolena {Vary : 1600 ha}, {mangahazo : 600 ha}
Fiompina {omby metisy :500 isa}{kisoa :140 isa}
Fanodinana vokatra {fitotoambary : 60 000 tonnes}{famokarana Fécule sy Tapioca}

Ny tantarany taorian’ny 1988­-2002:

Nampiandraiketina an’ny orinasa SOMACODIS ny fitantanana azy. Misy ifandraisany amin’ny famatsiana vary an’Antananarivo no antony izany.

Tsy dia havanana amin’ny sehatra fambolena anefa ny SOMACODIS dia nofoanany ny famokarana mangahazo ahodina, ary nomeny olon­tsotra (sous traitance) ny fambolena vary.

Taty aoriana dia fantatra fa namidin'ny (Somacodis) ny ampahany ny tanimbary (400 ha­faritra Bejofo)

Appel d’offre nataon'ny fanjakana no nahazahoan’ny TIKO SA ny zo rehetra hananany amin’izao fotoana izao.


Fehiny: TANIN’NY SORIFEMA manana titre foncier ara-dalàna io tany lasan’ny TIKO SA io fa tsy an’olon­tsotra.

(Sary nomena)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.