Fifidianana: Misokatra ny biraom-pandatsahambato

  • mercredi, 07 novembre 2018 06:33
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Nisokatra nanomboka tamin'ny 6ora maraina ny biraom-pandatsahambato rehetra manerana ny Nosy, hifidianana izay ho Filoham-pirinena hiasa ao anaitin'ny 5 taona.

Hikatona amin'ny 5ora tolakandro izany fifidianana fihodinana voalohany izany. Ireo efa ao anaty biraom-pifidianana, na ireo rehetra mbola milahatra ao ivelany kosa, dia mbola mifidy avokoa, na dia efa dila aza ny fotoana, ka jerena izay farany nilahatra teo tamin'ny 5ora tolakandro.

Izay mahazo ny atsasa-manila (50% +1) no avy dia mandresy hatrany, raha tsy tratra kosa izany, dia izay roa voalohany, amin'ireo Kandida 36, no miatrika ny fihodinana faharoa izay atao ny 19 desembra 2018.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.