Sambava: Nofoanana ny propagandy saika hataon'i kandida Emma Rasolovoahangy

  • samedi, 20 octobre 2018 19:22
  • Britto
  • Sary nomena

Araka ny fanazavan'ny lehiben'ny mpitandro filaminana, izay tonga nisakana, ny kandida lah-36 Roseline Emma Rasolovoahangy io maraina io, dia toerana tsy azo amoriam-bahoaka ny faritra nokasain'ity kandida ity hanaovana kabary androany.

Niovaova moa ny toerana nambaran'ny mpikarakara tamin'ny fampilazana.

Tamin'ny alakamisy hariva dia nanao "point de presse" ny kandida fa hamory vahoaka eo Parcage taloha ny sabotsy amin'ny 2ora sy sasany.

Omaly zoma tamin'ny 7ora hariva indray dia nilaza ny tompon'andraikitra iray miaraka amin'ny kandida teto Sambava, Atoa Primo fa hamory vahoaka eny amin'ny tsangambato Antanifotsy I amin'ny 9ora maraina. Teo no niditra an-tsehatra nanakana ny mpitandro filaminana satria tsy azo anaovana famoriam- bahoaka ilay toerana, akaiky tsena.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.