Fifidianana: Misokatra ofisialy ny fampielezan-kevitra

  • lundi, 08 octobre 2018 09:29
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Manomboka androany 08 okotobra 2018 amin'ny 6ora maraina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, fihodinana voalohany izay atao ny 07 novambra 2018.

Hifarana ny alatsinainy 05 novambra misasak'alina (06 novembre zero heure) ny fampielezan-kevitra, misento indray andro alohan'ny fifidianana.

Mahazo toerana manokana mirefy 1,20m x 1,20m ny kandida tsirairay eny amin'ny toerana rehetra natokana amin'izany.

Voarara ny fametahana afisy eny amin'ny rindrin'ny tranom-panjakana, ny toeram-pivavahana, eny amin'ny toerana manan-tantara sy vakoka.
Voarara ny manisy famantarana kandida amin'ny entam-barotra.
Voarara ny mametaka afisy eny amin'ny panneau publicitaire.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.