Parking Ambohipo: Ravan'ny afo ny fiara 6, moto 50

  • lundi, 10 septembre 2018 09:03
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote
Tokony tamin'ny 12 alina, ny alahady 09 septambra hifoha ny alatsinainy, no niainga avy tao amin'ny tranon'ny mpiambina Parking eo amin'ny Fokontany Ambohipo ny afo.
Nampirehitra labozia ny tao, ary lasa nivoaka ny trano nanao ny fitsirihina ireo fiara ambenana, lany anefa ny labozia ka nandrehitra ny toerana.
Nalaky niitatra ny afo, ireo polisy mpiambina, dia tsy tao ihany koa fa mbola nanao fitetezana ireo helakelatrano sy teny amin'ny 3 chemins, izay toerana mafampana ihany koa amin'ny alina.
Vetivety dia nahazo ireo moto nitoby teo ambavahadin'ny praking, izay vavahady tokana hidirana eo amin'ny tokotanin'ny fokontany.
Nipoaka tsirairay ireo moto, ka vetivety dia nidedaka ny afo, nantsoina ny pompier, mpamono afo, vetivety dia tonga izy ireo, tonga ihany koa ny mpiambina sy ny polisy, niezaka namoaka ireo zaza mbola matory tao amin'ny tranon'ny Gardien.
Nananosarotra anefa ny fanakisahana ireo fiara satria dia efa feno ny parking, ary misy mihidy avy aty ivelany ny fiara, ary izay mametraka lakilé dia tavela ao anatin'ny efitra efa midedaka afo ka tsy afaka nalaina intsony.
Voatery novakiana ny fitaratr'ireo fiara marobe anakisahana azy.
Ny lasantsy anefa malaky mirehitra, dia nifindra tamin'ireo fiara 6 ny afo.
Ny fanaovana pizza nifanefitra tamin'ilay tranon'ny mpiambina, dia nalaky nirehitra ihany koa, potika tanteraka ny varotra sy ny trano fanaovana pizza.
Manontany tena ny rehetra ny amin'ny assurance amin'izao voina izao, satria ny tranon'ny gardien dia azo antoka fa tsy misy assurance.
Tsy nisy ny naratra, fa dia fiara 6 no may tanteraka, maromaro no potika, ary moto 50 any no kila.
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.