Tolagnaro: Nandravarava indray ny afo

  • mardi, 04 septembre 2018 12:37
  • Britto
  • Sary nomena

Nitrangana haintrano indray teto Tanambao. Ravan’ny afo tanteraka tao anatin’izany ny tranombarotra karana iray sy toeram-pivarotana entana madinika maromaro.

Nanodidina ny tamin’ny iray ora maraina no niseho ny afo, ary tsy voafehy izany raha tsy ora efatra taty aoriana, tamin’ny dimy ora maraina.

Sarotra ny famonoana ny afo na dia teo aza ny fiaraha-miasan’ireo pompiers an’ny ADEMA sy ny orinasa QMM ary ny miaramila avy amin’ny Protection Civile, satria feno entana mora mirehitra ilay magazay karana.

Misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny niandohan’ny loza, sy hanaovana tombana ny fahavoazana. Tsy nisy aina nafoy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.