Antsirabe: Fanamboaran-dalana kitoatoa

  • lundi, 03 septembre 2018 15:30
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Mampiteny ny moana ary mahabe resaka ny maro mpampiasa lalana ny fomba nanamboarana ilay lalana nolazaina fa nahazo famatsiam-bola avy tamin'ny filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Nanaovana doka mihitsy moa ny fanombohana ny fanentsemana lavaka nandritra ny fandalovany teto Antsirabe, saingy hatramin'izao tsy mbola hita taratra izay tena asa misongadina fa fandavahana ireo arabe no betsaka ary mitarika fitohanan'ny fifamoivoizana aza.

“Tip Top” toy ny mahazatra no ataon'ny Kaominina, izay lasa nisahana ny asa indray kanefa nolazaina tany am-piandohana fa orinasa avy any Iarivo no hisahana izany.

Etsy ankilan’izay dia tsy mbola hita taratra izay fanamboarana ny lalan'i Mahazoarivo, izay nolazain'ny Ben'ny Tanàna Razanakolona Paul Ramasitera fa nahazoana famatsiam-bola tamin'ny FER.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.