Sambava: Feno sarin'i Beriziky ny tanàna

  • samedi, 25 août 2018 21:24
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Noravahana amin’ny sarin’ilay kandida filoham-pirenena izay zanaky ny faritra ny tanànan’i Sambava iray manontolo. Ankoatra izay dia nanomboka ihany koa ny fizarana gazety boky izay misy ny toky folon’ny kandida Jean Omer Beriziky (JOB) ity, ka ao no anomezany toky ny Vahoaka Malagasy momba ireo.

Niteraka resa-be eto an-tanàna izao tranga izao. Efa fampielezan-kevitra sahady ve sa rehefa tsy ahitana soratra hoe Fidio dia mety ihany, hoy ny fanontanian'ny maro.

Ny fantatra ihany koa dia misy toerana natokan'ny CENI hametahana ireny afisy ireny rehefa tonga ny fotoanan'ny fampielezankevitra, nefa ny an'ity kandida izay mikasa ho filoham-pirenena ity dia apetaka eny rehetra eny, ka mahavariana ny mponina ihany hoe, mbola vao kandida dia efa izao sahady ve ny toetra aseho tsy manara-dalàna?

Tsy misy bedy koa moa ireo efa manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, fa azo antoka fa izay resy dia ho be taraina any amin'ny HCC, angataka ny fanilihina kandida, na ny disqualification.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.