Depiote Jaovato: Hiantoka an’i Rakotomamonjy Jean Max ho prezidan’ny Repoblika

  • mardi, 07 août 2018 12:13
  • Britto
  • Sary nindramina Capture vidéo

Voalohany tamin’ny tantaran’i Madagasikara, no nanana filohana andrimpanjakana ny faritra SAVA, hoy i Laisoa Jean Pierre na Jaovato, depiote voafidy tao Antalaha, ny sabotsy 4 aogositra teo nandritra ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sady filoha nasionalin’ny antoko Leader Fanilo, Rakotomamonjy Jean Max taty Sambava.

“Vato nasondrotry ny tany ianao”, hoy i Jaovato nanoloana an’i Rakotomamonjy Jean Max, “mendrika hirotsaka ho prezidan’ny Repoblika”. “Mangataka anao zahay hagnano izany fa izahay miantoka ny enti-manana raha sitrakao ny fangatahana”, hoy hatrany i Jaovato.

“Voaray ny hafatra ary hovaliana amin’ny fotoana maha-mety azy”, hoy Rakotomamonjy Jean Max. “Ny firaisankina no hahafahantsika manosika amin’ny lavidavitra kokoa ary manaporofo imason’izao tontolo izao ny fampandrosoana tadiavintsika”, hoy hatrany ity farany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.