Sambava: Vary 200 gony voatery nopotehina

  • jeudi, 02 août 2018 07:50
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Vary nafaran’ny mpandraharaha iray eto Sambava izy ireto nefa simba, tsy misy azo raisina ka tsy maintsy nandraisana fepetra mba tsy hiparitahany eny an-tsena, ary nopotehina ny 31 jolay 2018, araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana aty SAVA, BE Christophe.

Efa fanindroany izao raha ny teto amin’ny mangazain’ity mpandraharaha ity no nahitana tranga toy izao. Tsy ny vary no lany daty fa noho fahelany tao anaty sambo no niteraka izao fahavoazana izao raha ny tatitra tonga taty aminay, hoy hatrany ireo avy tao amin’ny varotra sy ny fanjifana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.