Fanirisoa Ernaivo: Nanambara ampahibemaso fa kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena

  • mercredi, 01 août 2018 22:25
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nanolotra ny tso-drano ho an’ny filatsaha-kofidian’i Fanirisoa Ernaivo ho filoham-pirenena taty amin’ny Distrikan’Ambalavao ny raiamandreny aty an-toerana ny andron’ity alarobia 1 aogositra ity.

Nisy ny fidinana tany Andrainjato Ankiririoka mba ho fanantanterahana izany sy ho fanambarana amin’ny fomba ofisialy io fijoroana io. Ny antoko politika ZAMA na Zanak’i Madagasikara no nanolotra azy ho kandidà. Natao teo imason’ny vahoakan’Ambalavao ihany koa izany ny tolakandro nandritra ny famoriam-bahoaka notontosaina teo amin’ny Kianjan’”Izay atao ro hita”. Nihaona tamin’ny sendikan’ny mpampianatra ny tenany taorian’izay.

Naveriny ombieny ombieny ny teny hoe : "hamadika pejy" eto Madagasikara. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny filatsahany amin'ny maha kandidà vehivavy azy. Nizotra tsy misy tomika io fandraisana azy io teto Ambalavao Tsienimparihy. Ny fametrahana ny antotan-taratasy filatsaha-ko fidiana amin'ny fomba ofisialy eny anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no hanamafy izao fanambarana natao tamin'ny fomba manetriketrika izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.