Brieville: Votsotra izy efa-dahy

  • jeudi, 26 juillet 2018 14:38
  • Tigre
  • Sary nomena

Hafaliana ny an'ny fianakaviana, ny mpiasan'ny Kraoma rehetra ary ny fokonolona eto Brieville Andriamena.

Votsotra tamin'ny fakana an-keriny teo an-tananan'ny dahalo izy efatra mirahalahy mpiasan'ny Kraoma.

Tsy mbola mazava aloha hatreto, fa raha ny vola nangatahan'ny dahalo dia 100 millions ariary, ka ny Kraoma no nandoa ny vola.

Fety be eto an-tanàna, ary namonoana omby mihitsy.
Salama tsara izy 4 miarahalahy, na somary reraka ihany aza. Tamin'ny alatsinainy 23 jolay moa no nisy andihana dahalo maro nirongo fiadiana mahery vaika no naka azy ireto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.