Vontovorona: Mpianatra 5 voasambotra, 2 naratra

  • mardi, 10 juillet 2018 23:30
  • Britto
  • Sary nomena

Niafara tamin'ny fisamborana ny andro faharoan'ny fitokonan'ny mpianatry ny polyteknika Vontovorona androany. Nisy mpianatra 5 voasambotra taorian'ny tora-bato sy lakrimozena nifamalian'izy ireo tamin'ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny Emmoreg. Navotsotra ny tolakandro teo ihany moa izy ireo. Nisy ihany koa olona roa naratra nandritra ny sakoroka sy fisamborana, ka mpianatra ny iray tamin'ireo.

Manoloana ny tranga androany sy ny tsy nisian'ny fifampidinihana hamahana ny olana amin'ny fanomanana "mémoire", vatsim-pianarana, herintaona...dia milaza ny hanohy sy hanamafy ny fitokonana ireo mpianatra rahampitso.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.