Ivandry: Karana vavy nisy naka an-keriny

  • vendredi, 06 juillet 2018 14:54
  • Tigre
  • Sary Fb

Karana vavy iray, fantatra amin’ny anarana Sabera Vasram, no nisy naka ankeriny tamin’ny 1ora atoandro teo teny Ivandry, akaiky ny Pullman.

Fiara 4x4 roa no nampiasain’ireo mpaka an-keriny ka marika SORENTO ny iray, ary lava ranjanana avokoa ireo lehilahy teratany Malagasy nanatanteraka ny fakana ankeriny.

Nitondra fiara Audi Q5 ilay Karana vavy ary teo ampanaovana “manoeuvre” teo amin’ny parking iny indrindra izy no avy tampoka nively tamin’ny maritoa ny fitaratra amin’ny faritra misy ny mpamily, ireo mpaka ankeriny namoahan’izy ireo ny varavarana namoahana avy ao ilay karana.

Niezaka nanidy vavahady ireo mpiambina toerana saingy voaambana basy ka tsy nahetsika.

Tranga kidnapping faha-9 nikendrena teratany karana, niseho tamin’ity taona 2018 ity io nitranga teny Ivandry ny atoandro teo io, taorian’ny niseho tany Mahajanga omaly.

 
 
 
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.