Ladoany – Toamasina: Hataony lavanty ny entan’i Ny Rado Rafalimanana

  • samedi, 30 juin 2018 09:46
  • Britto
  • Sary nindramina

Hanao lavanty ireo entana tsy nalain’ny tompony tao anatin’ny roa volana sy tapany araka ny lalana mifehy ny fadintseranana ny ladoany. Hotanterahina ny 09 hatramin’ny 11 jolay ho avy izao eto Toamasina izany.

Entana amina kaontenera miisa 177 no voakasik’ity lavanty indray mitoraka ity, ka isany tafiditra amin’izany ny entana anaty kaontenera 40’, an’i Ny Rado Rafalimanana, ka 5.000.000 Ariary ny tolo-bidiny.

Miisa 43 kosa ireo fiara tsy nalain’ny mpanafatra azy hatao lavanty ka ny fiara Renault Clio ho an’ny Kaominina Morondava izay mitentina 5.100.000 Ariary ny tolo-bidiny, sy ny fiara Renault Kangoo ho an’ny borigadin’ny Zandary ao Ankadikely Antananarivo izay 5.000.000 Ariary ny tolo-bidiny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.