Dama: Ho kandida filoham-pirenena

  • dimanche, 24 juin 2018 21:56
  • Britto
  • Sary Net

Hanambara ny ho firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Dama na Rasolofodraosolo Zafimahaleo. Etsy Antanimena-Antananarivo no hanambarana izany ny 30 jona 2018 ho fanatanterahana ny « Antso Valimbabena atao amin’ny Mpiara-belona ho an’i Madagasikara ».

Tsy vaovao amin’ny sehatra politika i Dama, 64 taona. Efa in-droa voafidy solombavambahoaka izy, teto Antananarivo Renivohitra (Analamanga) sy tao Ambatofinandrahana (Amoron’i Mania).

Mpandinika fiaraha-monina izy, mpanakanto isany mpamorona ny tarika Mahaleo, mpihira sady mpitendry zavamaneno. Nanangana radio ao Ambatofinandrahana. Mpiaro ny tontolo iainana, manampy ny tantsaha…

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.