Antanifotsy - Soanierana Ivongo: Nopotehin’ny mpianatra ny lisea sy ny CEG

  • vendredi, 01 juin 2018 10:59
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Soanerana Ivongo

Itrangana savorovoro ao amin’ny lisea sy ny CEG Antanifotsy Soanierana Ivongo ny alarobia 30 may sy ny alakamisy 31 may 2018. Niitatra tamin’ny fanimbana fitaovana sy fanenjehana ireo mpitantana ny sekoly sy ny mpampianatra izany.

Vokany dia voatery nitsoaka ao Soanierana Ivongo ny tale sy ny mpiara-miasa aminy ary mpampianatra miisa sivy ho fiarovana ny ain’izy ireo manoloana ny fandrahonana miantefa amin’izy ireo.

Miezaka mandamina ny raharaha ny talen’ny Cisco aty Soanierana Ivongo sy ny lehiben’ny Distrika ary ireo mpitandro ny filaminana. Tsy mbola nisy aloha ny fisamborana na nisy aza ny fanimbanana fananam-bahoaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.