Rakotonarivo Thierry: Oktobra 2018 no tsara hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena

  • mardi, 29 mai 2018 11:57
  • Britto
  • Sary Net

Volana oktobra 2018 no tsara kokoa hanatanterana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly.

Amin’izay dia manana fotoana lavalava kokoa ny rehetra hanomanana ny fiatrehana izany fifidianana izany raha ny fanazavany, vita avokoa ny fanadinana ara-panjakana amin’izay, tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana maina araka ny fanapahana nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 25 may 2018.

Raha tanterahina volana oktobra ny fihodinana voalohany dia amin’ny tapaky ny volana desambra 2018 ny voka-pifidianana fihodinana faharoa. Raha ny fanazavan-dRakotonarivo Thierry hatrany dia ny fivorian’ny CENI amin’ny herinandro ho avy no hamaritana datim-pifidianana hatolotra ny governemanta.

Nohamafisiny koa fa vonona ny vola 40.000.000.000 Ariary avy amin’ny fanjakana sy ny 12.000.000 dolara ao amin’ny kitapom-bola iraisana avy amin’ny vahiny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.