Fianarantsoa: Niatrika fanadinana andrana CEPE ireo kilonga

  • jeudi, 24 mai 2018 08:10
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nizotra tsy nisy fanelingelenana ny fanadinana andrana CEPE hoan'ny mpianatry ny sekoly mikambana ao amin'ny AILE (Association des Institutions Laïques pour l'Education) eto Fianarantsoa.

Ny tontolo andron'ny alarobia 23 mey 2018 no nanatontosana izany teo amin'ny sekoly iray mpikambana. Nandefa ireo kandida isany avy ny toeram-pianarana 11 eto an-toerana. Mitontaly 210 ireo mpianatra isan-tokony ireo.

Niaro ny foibe nanatanterahana izany fanadinana andrana izany ny ray aman-dreny sasantsasany. Afaka nanao ny asa fanaraha-maso sy fitsarana avy hatrany ireo mpanabe 20 mahery niatrika izany.

Vinavinaina ho amin'ny alatsinainy ny famoaham-bokatra nandritra ity fanadinana andrana ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.