Soavimasoandro: Nisy nanary teny ireo entana may tao amin'ny Building Ramaroson

  • mercredi, 23 mai 2018 10:44
  • Tigre
  • Sary nomena

Nisy firehetana ny toeram-pivarotana tao ambanin'ny Building Ramaroson ny alahady 20 mai lasa teo.

Hita nanomboka omaly anefa fa ireo entana may ireo no nisy nitaona tamina kamiao maro, ka dia nariana ety amoron-dalana ety amin'ny Boulevard de la Francophonie ety Soavimansoandro.

Maro ireo olona nifandrombaka sy nitsipona izany, fa dia loto tateraka no aterak'izany, ka dia andrasana ireo tomponan'andraikitra hanasazy faran'izay enjana amin'ny fanaovana tsinotsinona ny tontolo iainana toy izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.