Kaominina Ankirihitra - Ambato Boeny: Maty nodarohina avy eo notifirina ilay Ben'ny Tanàna MAPAR

  • jeudi, 17 mai 2018 10:04
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Ambato Boeny

Namoy ny ainy ny alin'ny alarobia 16 mey 2018 ny Ben'ny Tanànan'Ankirihitra, aty amin'ny Distrikan'Ambato Boeny, Toto Basile. Maty nisy nidaroka tamin'ny lohany izy ary notifirina avy eo. Nezahina novonjena nentina tany amin'ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy.

"Tsy tonga tonga ho azy izao fahafatesana izao" araka ny fanambarana nataon'ny fianakaviany fa vono niniana natao.
Ben'ny Tanàna voafidy tamin'ny anaran'ny antoko MAPAR i Toto Basile, tsy nanaiky hiaraka hiasa sy hanaraka ny baikon'ny antoko HVM izy sy ny ekipany.

Amin’ity alakamisy 17 mey ity, no voalaza fa ho avy eto Ambato-Boeny ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitokana trano fandidiana na “bloc opératoire” ka efa niainga sahady ny teritery sy ny antsojay. "Tsy nanaiky hatramin'ny farany anefa i Toto Basile", hoy hatrany ny fianakaviana ka izay no ahiahian’ireto farany ho anton'izao “règlement de compte” izao.

Andrasana ny ho tohin'ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.