Mahajanga: Noraofin'ny mpitandro filaminana ny sorabaventy rehetra

  • samedi, 14 avril 2018 18:36
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nalaina an-keriny sy nogiazana avokoa ny sorabaventy maneho fanoherana sy tsy fahafaliana narantin'ny andin'olona teny Mazava Huiles-Mahajanga, ny maraina teo.

Olona maro no niandry ny fandalovan'ny fiara mitanjozotra avy any amin'ny seranam-piaramanidina Amborovy mitondra ny filoha Hery Rajaonarimampianina hiazo ny tampon-tanànan'i Mahajanga, hitokana ny hôtely Baobab Tree na hotely La Piscine teo aloha.

Nilanja sorabaventy maneho ny tsy fahafaliany amin'ny fitondrana sy ny filoha ary ny antoko HVM. Nikoropaka ireo mpitandro ny filaminana fa efa handalo ny filoha sy ny minisitra maro ary ny delegasiona mpitsena azy ka tsy maintsy natao izay nanakonana sy nanafenana ireo sorabaventy ireo.

Notaterina tamin'ny fiara sy bajaj isam-pokontany ireo fikambanam-behivavy hitsena ireo delegasiona teny Amborovy ny maraina teo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.