IFM Analakely: Jeritodika sarimihetsika Malagasy

  • vendredi, 13 avril 2018 07:33
  • Britto
  • Sary nomena

Hotanterahina ao amin'ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely - Antananarivo ny tolakandron’ny sabotsy 14 aprily ho avy izao ny fampisehoana ny sarimihetsika fohy malagasy voalohany nivoaka teto Madagasikara.

“L'accident” no lohatenin'izany, sarimihetsika notontosain'i Ramampy Benoît tamin'ny 1972, fony izy 25 taona.

Maneho sahady ny trangam-piarahamonina isian'ny tsy fitovian-jo amin'ny ankapobeny izany tantara miainga amin'ny lozam-pifamoivoizana izany.

Nahazo ny loka tao amin'ny FESPACO ity sarimihetsika fohy ity tamin'ny taona 1973.

Io no sangan'asa voalohany notontosain'i Ramampy Benoît, izy izay nanoratra sy naneho an-tantara ihany koa ny fenitribe mahazo ny firenena hatramin'izao tamin'ny alalan'ny sarimihetsika “DAHALO DAHALO”.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.