Tatitra ho an’ny vahoaka: “Tsy nanome alalana ireo depiote hanao izany izahay” hoy ny Prefen’i Toamasina

  • jeudi, 12 avril 2018 19:53
  • Britto
  • Tahirin-tsary Gasypatriote Toamasina

Nolavin’ny Prefen’i Toamasina ny fangatahana am-bava nataon’ireo depiote mpanohitra eto Toamasina hamory vahoaka eo anivon’ny Lapan’ny Tanàna ny sabotsy 14 aprily izao, raha nanome alalana azy ireo izany ny Ben’ny Tanàna tamin’ny alalan’ny lefitra faharoany.

“Tsy nanome alalana ireo depiote hanao izany izahay”, hoy ny Prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille tamin’ny resaka nifanaovana taminy.

Ilana fangatahana ny hetsika satria famoriam-bahoaka no hatao, ary tsy depioten’i Toamasina I ihany no hanao izany fa hiarahan’ireo depiote mpanohitra rehetra eo anivon’ny faritra Alaotra-Mangoro sy Analanjirofo ary Atsinanana, nefa samy manana ny distrika naha-lany azy avy ireo depiote ireo ka any aminy avy izy ireo no tokony hanao tatitra mikasika ny lalam-pifidianana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.