Toby Ratsimandrava : Naharitra telo ora ny fametrahana ny antonta-taratasin'ady sy ny fanadihadiana

  • mercredi, 04 avril 2018 16:51
  • Tigre

Naharitra telo ora ny fametrahana ny antonta-taratasin'ady sy ny fanadihadiana natao tamin'i Kandida ho Filoham-pirenena, Patrick Raharimanana, mahakasika ny fitoriana nataony an'i Talen'ny fonjan'ny Tsiafahy amin'ny raharaha kolikoly Houcine Arfa.

Nametraka fitoriana ihany koa i Patrick Raharimanana amin'ny olona misandoka ny anarany amin'ny alalan'ny compte fake entina hanaratsiana olona eo amin'ny Facebook, izay atao amin'ny anarany.

Matoky tanteraka ny Fitsarana Malagasy ary mankasitraka ireo mpanao fanadihadiana izay feno fanajana tokoa teo ampanataterahana ny asa nankinin'ny Fampanoavana azy.

Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.