Antsirabe: Natolatra ny Fitsarana ilay vazaha lahy vetaveta

  • jeudi, 08 mars 2018 08:56
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia 7 marsa tolakandro ilay vazaha saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teto Antsirabe ny atoandron’ny talata 6 marsa.

Resaka hala-jaza no saika namonoan’ny olona azy, saingy fikasana hanolana indray no valin’ny fanadihadiana azy.

Niaiky ity vazaha ity fa nisafosafo ireo zazavavy niisa roa, raha ny tatitry ny Contrôleur général de Police, Ramilison Céléstin. Nambaran’ny fanadihadiana izay natao ilay vazaha, hoy izy fa efa nikitika tokoa ny fivavian’ireo zazavavy izy no nampiantsoantso ireo ankizy notambazany vola. Nolaviny kosa ny filazana azy ho saika hangala-jaza, izay saika namonoan’ny olona azy moa izany.

Re koa fa nandetika azy ny Consul Frantsa eto Antsirabe, izay niatrika ny fanaovany sonia ny fitantana an-tsoratry ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.