PM Mahafaly Olivier: Notsenain’ny mpisolotoerana azy teny Ivato
- vendredi, 09 février 2018 13:58
- Britto
- Sary Primatiora
Nigadona ny 08 febroary 2018 tamin’ny dimy ora sy sasany hariva, teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, rehefa avy nanao fizaham-pahasalamana tatsy amin’ny nosy La Réunion.
Tonga nitsena azy teny ampahatongavana ny Praiminisitra mpisolo toerana, izay minisitra eo ambany Fiadidian'ny Repoblika misahana ny tetikasan'ny Filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, Benjamina Ramanantsoa; ny Minisitry ny filaminana anatiny, Andrianisa Mamy Jean Jacques; ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean Anicet; ny Minisitry ny fahasalamana ny Profesora Mamy Lalatiana Andriamanarivo; ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny misahana ny fifandraisana sy ny fampandrosoana, Bary Rafatrolaza.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://sobikamada.com/a-la-une/item/15026-pm-mahafaly-olivier-notsenain%E2%80%99ny-mpisolotoerana-azy-teny-ivato.html#sigProGalleriaab81cf6674
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.