« Triple A » Andranomanelatra: Tonga indray ny JIRAMA

  • mercredi, 07 février 2018 13:39
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nanao bemidina ao amin'ny orinasaTiko – « Triple A » Andranomanelatra Antsirabe ny Jirama izao maraina izao, milaza ho tsy afa-po ka hanao fanamarinana ny jiro ao amin'ity orinasa ity sy ny trano ao anatiny, izay fivantanan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa mandalo aty Antsirabe izy.

Nitondra taratasy avy any amin'ny Fitsarana ny Jirama nahafahana namaha ny toerana satria efa nogiazan'ny fanjakana tsy azo sokafana « scellé » io orinasa io nanomboka tamin'ny 12 oktobra 2017.

Araky ny tatitra an-tsoratra nataon’ny vadintany taorian’ny fitsirihana nataon’ny Jirama ny 24 janoary 2018 lasa teo, milaza ho tsy nahita zavatra hafahafa na mampiahiahy tao an-toerana, dia mbola mihely hatrany ny feo hoe mangalatra jiro ny orinasa, ka dia nitaky ny hiverenan’ny Jirama hanao fanamarinana ao Andranomanelatra indray ny mpisolovavan’ny Triple A.

Mbola aty an-toerana moa ny Jirama amin'izao mandavaka ny lalan'ny fil rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.