Morondava: Tratra ny sambo nitondra sokatra 500

  • mercredi, 10 janvier 2018 10:21
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Morondava

Omaly talata 09 janoary, dia tratra teto Morondava ny sambo nitondra sokatra 500, avy any Maintirano nandalo taty Morondava ary hiverina hiakatra any Mahajanga.

Tonga dia nogiazin'ny polisy ilay mpanamory ilay sambo, ary novonjena ny ain'ireto sokatra ireto. 292 no velona, fa maty kosa ny ambiny satria tanaty gony nifanaingitaingina tao.

Atao famotorana izao ilay mpanamory ahafantarana izay tena atidoha sy mpiray tsikombakomba amin'izao trafika izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.