Ivory Avaratra Fianarantsoa: Namono olona ny fihotsahan'ny tany

  • lundi, 08 janvier 2018 08:04
  • Tigre
  • Sary nindramina FB, sary Région Haute Matsiatra

Fianakaviana niandry faty ny alin'ny alahady 07 janoary no nihotsahan'ny tany ka nirodana ny trano. Nokarohina hatry ny alina ireo ka izao maraina izao no hita avokoa ny razana miisa 08, anisan'izany ny zazakely 11 volana, kilonga 03, olondehibe 05.

Ny Lehiben'ny Faritra sy ny Préfet dia naniraka ny ekipa namonjy ny voina nanampy ny Commune Urbaine.

Mifanome tanana ny ekipan'ny faritra sy ny préfecture amin'ny fanampiana ireo niaram-boina. Marihina fa ny Chef de Région sy ny Préfet dia mbola tafajanona ao amin'ny lalana tapaka ao amin'ny RN7, nefa kosa miezaka mandrindra ny fifanampiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.