Antsirabe: Nirodana ny CEG Soamalaza

  • mardi, 02 janvier 2018 20:46
  • Tigre
  • Sary Sobika Antsirabe

Ampahany amin’ireo trano efa tranainy tao amin’ny CEG Soamalaza Antsirabe no nirodana vokatry ny rotsak’orana be loatra tamin’iny faran’ny taona iny.

Ny marainan’ny talata 02 janoary 2018 no nirodana ny ampahan’io trano io ka nahasimbana entana sy fanaka marobe.

Tsy nisy moa ny aina nafoy fa ankizy iray no fantatra fa naratra vokatry ny tsindry nahazo azy.

Raha ny fanazavana nomen-Rtoa Joliharisoa Fanja, lehiben’ny fokontany Tsarasaotra, misy ny CEG Soamalaza dia efa 3 taona lasa no namoahan’ny Kaominina naoty fa tsy azo itoerana intsony io trano io fa efa 100 taona mahery no sady biriky tany, saingy mbola tsy niala tao ihany ireo mpiasa nitoetra tao.

Vokany dia tsy maintsy nalana tao amin’izay izy ireo ary napetraka amin’ny lakilasy aloha hatramin’ny fidiran’ny mpianatra ny 04 janoary ho avy izao.

Olona manodidina ny 25 tamin’ireo tokatrano niisa 5 nipetraka tao araka izany no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana.

Efa tonga nitsirika ny fahavoazana moa ny mpitandro filaminana sy ny teo anivon’ny Dren Vakinankaratra.

Marihina fa efa nitoeran’ny mpiasa ity trano ity fa tsy lakilasy akory.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.