La Reunion kely: Fiainan'i Sahirana manoloana ny fety

  • samedi, 23 décembre 2017 22:39
  • Tigre
  • Sary Njaka

Amin’ny fiainana ankapobeny dia samy manana ny sokajiny avy ny olona. Misy ny mahantra, misy ny antonony ary misy ny manan-karena.

Matetika anefa dia ny fahantrana foana no ambetin-dresaka sy lazaina fa fahavalo eto amin’ity Firenena ity. Tafiditra indrindra isika amin’izao fotoana izao ao anatin’ny fotoanan’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona.

Manoloana izao fety izao anefa, ireo mponina eny La Reunion kely dia kapoaka sy tavoahangy no amidy eny, tsy misy izany fankalazana izany fety izany.

Araka ny filazan’i Ramatoa Helene, izay eny La reunion kely dia tamin’ny fahavelon’i Nadine RAMAROSON dia nisy hatrany fanampiana azy ireo, nefa hatramin’izao tsy mba nisy fitondram-panjakana nijery azy ireo, fa izay eo ampelan-tanana no andrandraina.

Miavaka izahay hoy izy ireo manoloana izao fety izao satria eo ny fahantrana, raha tsy hilaza hafa tsy ny vidim-bary izay efa miakatra ho 2300 ariary ny kilao.

Tsy mba misy izany mandravaka girlandy sy sapin izany fa dia mandeha toy ny andavanandro ihany.
Tsy misy te hipetraka amin'izao toerana maloto sy mamparary ny ankizy izao, fa tsy misy mijery izahay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.