Fianarantsoa: Iaretan-tory miaraka eto an-toerana ireo miaramila lavo tany Ikongo

  • mercredi, 20 décembre 2017 19:08
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Nigadona teto Fianarantsoa ny marain'ity alarobia 20 desambra ity ny nofomangatsiakan'ireo mpitandro filaminana 9 lahy, lavo amperinasa, rehefa natelin'ny rano tao Ambinanitromby, 28km tsy hahatongavana ao an-drenivohitry ny Distrikan’Ikongo, ny tolakandron’ny sabotsy 16 desambra 2017. Miaramila ny 6 tamin'izy ireo, Polisim-pirenena ny 2 ary Zandary ny 1.

Ireto avy ny anarany sy ny toerana handevenana azy avy:

- Ny ADJ ANDRIAMAMPANA Joseph dia halevina any Vahapaky, Kaominina Ampasimalemy, Distrikan'i Vangaindrano,
- Ny SGC RASOLONJATOVO Jean Damien dia any Antanambao- Fangena- Kaominina Fandrandava,
- Ny SGC RAFOLONOMEMBAZANY Saphibin Santisteban dia aterina amin'ny fansan-drazany any amin'ny Kaominina Anosy Distrika Farafangana ,
- Ny S1C RATOLOJANAHARY Sedinas dia aterina any Mahajanga Ville,
- Ny S1C RAFANOMEZANTSOA Tolojanahary Faly Albert dia halevina any Tsitaitra, Andranotakatra. Kaominina Fandrandava, Distrika Lalangina,
- Ny S2C ANDRIANIRINA Hervé Augustin dia ao Sahamena, Andrainjato Centre, Kaominina ambonivohitra Fianarantsoa no handevenana azy,
- Ny G1C RAHARIJAONA Jean Wilfrid dia ao Ambanimaso Fianarantsoa no misy ny fandevenana azy,
-Ny AP3 RAZAFINDRAHOBY Dinalalaina Todiavao dia aterina ao Isorana, Distrika Isandra,
- Ny AP1 RAHERISAINA Lauréat dia halevina ao Ambohimahazo, Distrika Manadriana.

Iaretan-tory eto Fianarantsoa ny razan'izy ireo ny alin'ity alarobia ity mialohan'ny fandaminana ny fiaingan'ny fianakaviana manatitra azy ireo any amin'ny tanindrazany azy avy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.