ENEM Mahajanga: Namoaka ny maharary azy ireo mpiofana ho tantsambo

  • lundi, 13 novembre 2017 07:43
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

“Efa tena antitra ny foto-drafitrasan'ny ENEM na Sekolim-pirenena mampiofana ho tatsambo eto Mahajanga ka ilana fanamboarana”, hoy ny solontenan'ireo mpianatra nitafa taminay.

Lafo dia lafo ny saram-piofanana ampandoavina azy ireo ary arotsaka ao amin'ny kitapombolam-panjakana, indrindra ireo manao “formation modulaire” saingy tsy mifanaraka amin'izany ny tolotra omena.

Tsy misy fanamboarana ny tranon'ireo mpianatra. Antitra toy ny foto-drafitr'asa ihany koa ireo mpampianatra azy ireo ka nangatahany ny mba hijerena manokana ny sata mifanaraka amin'izany.

Anisan'ny antony nanemorana ny fidirana tamin'ity taona ity ohatra ny fahataran'ny karaman'ireo mpampianatra. Mahatratra hatrany amin'ny 800 hatreto ireo tatsambo voasoratra anarana eo anivon'ny APMF (Agence Porturaire Maritime et Fluviale), ary mbola mitombo izany rehefa fotoana fisokafan'ny jono satria miasa amin'io seha-pihariana io avokoa ny ankamaroan'ireo tatsambo Malagasy ireo.

Ny 10 novambra no nanaovana ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ranomasina sy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tatsambo.

Nanamarika izany ny taty Mahajanga ka nosantarina tamin'ny fametrahana voninkazo teo amin'ny tsangambato fahatsiarovana ireo namoy ny ainy an-dranomasina izany. Nisy ihany koa ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo sampandraharaha misehatra amin'ny ranomasina ary fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana no namaranana ny fankalazana omaly alahady.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa