Anosikely: Famindram-pahefana

  • jeudi, 02 novembre 2017 14:12
  • Tigre
  • Sary Njaka

Notontosaina io marainan'ny 02 novambra io ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona vaovao Rivo RAKOTOVAO sy ny teo aloha RAKOTOMANANA Honoré teny amin’ny trano maitso Anosikely.

Nanatrika izany lanonana izany ireo Loholona sy ny avy eo amin’ny governemanta, ary tonga nanotrona tao ihany koa ary nanome tso-drano azy ireo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max RAKOTOMAMONJY.

Anisan’ny mbola niverimberina tamin’io lanonana io ihany ilay teny hoe tsy nametram-pialana aho fa niato tamin’ny asako, ary nanitsy ireo haino aman-jery sy ny gazety ity filohan’ny Antenimieran-doholona teo aloha ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa