SECES: Voafidy indray hitantana ny sendika i Dr Ralambomanana Dimby

  • mardi, 19 septembre 2017 22:10
  • Zakaria
  • Sary Sobika Mahajanga

Dr Ralambomanana Dimby hatrany no lany ho filoha hitantana ny SECES, hiasa mandritra ny taom-piasana manaraka, izay haharitra telo taona. Izy no mbola nanankinan’ny mpizaika nandritra ny kongresy nasionalin’ny SECES teto Mahajanga, nifarana androany rehefa naharitra roa andro, ny 18 sy 19 septambra 2017.

Fehin-kevitra 3 lehibe no nivoitra tamin’izany. Teboka iray lehibe ny fanamafisana ny fitakiana mifanandrify amin'ny zo sy hasin'ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Voarakitra anatin'izany ny fanatanterahana ny tambikarama roa (résidence sy logement ) voafaritry ny didim-panjakana 2009-1214 tokony hihatra manomboka ny volana Janoary 2018. Eo ihany koa ny fampiharana ny didim-panjakana 2009-1215 ny amin'ny tambim-pikarohana ho an'ireo tokony hisitraka izany.

Notsindrian'ity sendika ivondronan'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ity ny resaka LMD, ka takian'izy ireo ny fampiharana ireo atontan-kevitra nivoitra tamin'ny atrikasa nasionaly momba ny LMD natao tany toamasina tamin'ny taona 2016.

Teboka fahatelo noresahin'ireo mpampianatra koa ny mahakasika ny raharaham-pirenena, ny tsy tokony hitsabatsabahan'ny mpanao politika amin'ny fitantanana sy fampandehanana ny raharahan'ny anjerimanontolo, ny fanaovana kiatranoantrano eny amin'ny oniversite sy ny foibem-pikarohana.

Toherina hoy hatrany izy ireo ny kolikoly eo amin'ny ambaratongam-pahefana rehetra, indrindra fa ny fanondranana sy fitrandrahana gaboraraka ny harem-pirenena.

Any Antsiranana no hanatanterahana ny kongresy amin'ny taona 2020.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.