Matsiatra Ambony: Tapaka ny tetezana eo Akidomby-Vohiposa RN7

  • dimanche, 17 septembre 2017 16:24
  • Zakaria
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Tamin'ny 11ora 20 no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Efa mandray ny andrikiny ireo Fokonolona amin'ny fanamboarana fivilian-dalana amin'izao fotoana izao.

Hatramin'izao ora fampitam-baovao izao dia ireo fiara tsy mataho-dalana na 4x4 ihany no fantatra fa tafita an'io "déviation" io.

Raha ny fanampim-panazavana nentin'ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ifotony dia tsy tokony hihoatra ny 30 taonina ny vesatra mandalo amin'io tetezana io.

Hisy fiantraikany amin'ny famatsiana solika iny tapany atsimon'ny Nosy iny ny fahasimban'ity tetezam-by ity, vokatry ny fahasimban'ny Port Manakara mantsy dia taterina amin'ny kamiao avy any Toamasina ny solika mamatsy an'i Fianarantsoa.

 

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.