Vono olona: Misazy 10 taona an-tranomaizina i Arif Djo

  • samedi, 09 septembre 2017 16:30
  • Britto
  • Sary Sobika Antsohihy

Tontosa ny zoma 08 septambra teto Antsohihy ny fitsarana an'i Arif Djo, ilay karana voampanga ho namono nahafaty ny vady an-defomandriny Sahouna Salim Mamod, ny 31 desambra 2016.

Nanomboka tamin'ny folo ora maraina ny raharaham--pitsarana ary tsy vita raha tsy tamin'ny valo ora alina. Nilatsaka ny didy manasazy azy, folo taona an-tranomaizina, dimy taona tsy mandia faritra miampy onitra 25 tapitrisa Ariary.

Vono sy ratra niniana natao, nitarika ny fahafatesam-badiny no vesatra nanenjehana an'i Arif Djo, izay rahalina mpanolontsaina minisitra iray HVM. Narahin'ny olona maro teto Antsohihy ity raharaham-pitsarana ity.

 

Commentaires (44)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa