Fasam-bahiny La Corniche-Mahajanga: Vata-paty nodorana saika nitera-doza

  • jeudi, 07 septembre 2017 19:44
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Nisy fianakaviana naka razana hafindra any amin'ny fasan-drazan'izy ireo teny amin'ny fasam-bahiny La Corniche ny tolakandro teo. Araka ny fomba amam-panao, tsy maintsy dorana ny vata-paty avy nisy ny razana nilevenany tao, ary soloina vaovao hitondrana azy entina hafindra.

Tsy niala lavitra anefa fa teo amin'ny tokontanim-pasana ihany no nandoran'ireo fianakaviana izany. Maina tanteraka anefa ireo akata maniry teo, ka nampiitatra ny afo ary saika nitera-doza tamin'ny manodidina.

Tsy maintsy niantsoana mpamonjy voina vao maty ny afo, raha tsy izany mety nahazo ireo fasana rehetra tao sy ny trano teo amin'ny manodidina. Efa samy mamomamo rahateo ireo fianakaviana nanao famadihana ka tsy nivaky loha loatra tamin'ny mety ho voka-dratsy ateraky ny afo.

 

Commentaires (13)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa